<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.F. Thrupp</author>
<title>Jesosy o, Hianao no faleha FFPM474</title>
<lyrics>[V1]
 Jesosy ô, Hianao no faleha !
 Mba hankanesana amin'ny Ray,
 Ka mitariha anay mba handeha
 Amin'ny làlana marina indray.

[V2]
 Fa Hianao no Mpamonjy voatendry,
 Zanaka mandrakizay Hianao ;
 Ka Hianao no Mpitarika hendry,
 Lalana amin'ny Ray Hianao.

[V3]
 Diso ny tsara, ka dia nizotra
 Tamin'ny lalana ratsy izahay ;
 Koa mamerena anay mba hizotra
 Amin'ny lalana tsara indray.

[V4]
 Fa Hianao no mitondra ho any
 Amin'ny lanitra fonenanao ;
 Ary tsy misy mahazo mankany
 Afa-tsy amin'ny alalanao.

[V5]
 Maro ny zavatra izay mampahory,
 Fa Hianao no Mpiaro anay ;
 Aoka izahay tsy ho reraka Akory,
 Ry Mpanalalana amin'ny Ray !</lyrics>
<hymn_number>474</hymn_number>
</song>